Psalms 6

Fivavaky ny olona anarin’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. 3Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. 4Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana? 5Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. 6Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
iza no hidera Anao?
7Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan’ alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. 8Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra. 9Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako. 10Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. 11Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
Copyright information for Mg1865